Acts 21:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony tonga tao aminay izy dia noraisiny ny fehikibon’i Paoly ka namatorany ny tongotra aman-tanany sady hoy izy: Izao no lazain’ny Fanahy Masina: Toy izao no hamatoran’ny Jiosy any Jerosalema ny lehilahy tompon’ity fehikibo ity sy hanolorany azy ho eo an-tanan’ny Jentilisa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Vao tonga tao aminay izy, dia noraisiny ny fehikibon’i Paoly, namatorany ny tongotra aman-tanan’ny tenany, ka hoy izy hoe: «Izao no lazain’ny Fanahy Masina: Hafatotry ny Jody any Jerosalema toy izao ny lehilahy tompon’ity fehikibo ity, dia hatolony eo an-tanan’ny Jentily.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa tonga teo aminay i Hagabo, dia noraisiny ny fehikibon’i Paoly, ka nifatorany tongotra aman-tanana sady hoy izy hoe: –Izao no lazain’ny Fanahy Masina: Ny lehilahy tompon’ity fehikibo ity, dia hafatotry ny Jiosy toy izao rehefa mby any Jerosalema ary hatolony eo an-tanan’ny hafa firenena.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa tonga tao aminay izy, dia noraisiny ny fehin-kibon'i Paoly, ka namatorany ny tongotra aman-tànan'ny tenany, dia hoy izy; Izao no lazain'ny Fanahy Masina: Toy izao no hamatoran'ny Jiosy any Jerosalema ny lehilahy tompon'ity fehin-kibo ity, ka hatolony ho eo an-tànan'ny jentilisa izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony tonga tao aminay izy dia noraisiny ny fehikibon’i Paoly ka namatorany ny tongotra aman-tanany sady hoy izy: Izao no lazain’ny Fanahy Masina: Toy izao no hamatoran’ny Jiosy* any Jerosalema ny lehilahy tompon’ity fehikibo ity sy hanolorany azy ho eo an-tanan’ny Jentilisa*.
malagasy
Ary rehefa tonga tao aminay izy, dia noraisiny ny fehin-kibon'i Paoly, ka namatorany ny tongotra aman-tànan'ny tenany, dia hoy izy; Izao no lazain'ny Fanahy Masina: Toy izao no hamatoran'ny Jiosy any Jerosalema ny lehilahy tompon'ity fehin-kibo ity, ka hatolony ho eo an-tànan'ny jentilisa izy.