Acts 21:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa hoy ny navalin’i Paoly: Nahoana ianareo no mitomany ka mampangorakoraka ny foko? Vonona aho, tsy ny hafatotra ihany, fa ny ho faty any Jerosalema koa aza mba ho voninahitry ny anaran’i Jesosy Tompo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa namaly izy ka nanao hoe: «Nahoana no dia mitomany toy izao ianareo, ka tonga mahahontsa ny foko? Izaho izao dia vonona tsy ny hafatotra ihany, fa na ny ho faty any Jerosalema aza, mba ho voninahitry ny Anaran’i Jesoa Tompo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa dia novaliany hoe: –Nahoana no mitomany ianareo, ka mitady hanakivy ahy. Izaho dia tsy vonon-kifatotra ihany, fa vonon-ko faty koa any Jerosalema mba ho voninahitr’i Jesoa Tompo.
Malagasy Bible 1865
Fa Paoly namaly ka nanao hoe: Nahoana ianareo no mitomany ka mampangorakoraka ny foko? Fa vonona aho tsy ny hafatotra ihany, fa ny ho faty any Jerosalema koa aza mba ho voninahitry ny anaran'i Jesosy Tompo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa hoy ny navalin’i Paoly: Nahoana ianareo no mitomany ka mampangorakoraka ny foko? Vonona aho, tsy ny hafatotra ihany, fa ny ho faty any Jerosalema koa aza mba ho voninahitry ny anaran’i Jesosy Tompo.
malagasy