Acts 21:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
koa raiso ireo ary manadiova ny tenanao miaraka aminy, dia aloavy ny vola ho lany mba hanaratany ny lohany; ho fantatry ny olona rehetra amin’izay fa tsinontsinona ny zavatra namokisana azy ny aminao, fa ianao koa aza dia mandeha manaraka ny lalàna.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ento ireo, ka miaraha mandio tena aminy ianao, ary mandoava vola ho azy hanaratany ny lohany, dia ho fantatry ny vahoaka hoe tsy marina ny filazan’ny olona ny aminao, fa tsy mitsahatra ny mitandrina ny Lalàna ianao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aoka ianao hitondra azy efa-dahy ka hiaraka aminy manatanteraka ny fombam-pivavahana fidiovana. Aloavinao mihitsy aza ny vola mety holanîny hanaratana ny lohany. Dia ho fantatry ny olona rehetra amin’izay fa endrikendrika ranofotsiny izay voalaza ny aminao, satria ianao koa aza dia manaraka sady mitandrina ny lalànan’i Mosesy.
Malagasy Bible 1865
raiso ireo ka manadiova ny tenanao miaraka aminy, ary mandoava ny vola ho lany mba hanaratany ny lohany, ka dia ho fantatry ny olona rehetra fa tsinontsinona izay zavatra namokisana azy ny aminao, fa ianao aza mandeha manaraka ny lalàna kosa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
koa raiso ireo ary manadiova ny tenanao miaraka aminy, dia aloavy ny vola ho lany mba hanaratany ny lohany; ho fantatry ny olona rehetra amin’izay fa tsinontsinona ny zavatra namokisana azy ny aminao, fa ianao koa aza dia mandeha manaraka ny lalàna.
malagasy