Acts 21:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny amin’ny Jentilisa izay efa mino kosa dia efa nampitondra epistily ho azy izahay ka nasainay nifady ny hena aterina amin’ny sampy, ny ra, ny biby kendaina ary ny fijangajangana izy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ny Jentily izay nino dia efa nampitondranay taratasy, ka nodidianay hifady ny hena natolotra tamin’ny sampy, sy ny ra, ary ny biby nokendaina, mbamin’ny fijangajangana.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa ny hafa firenena izay tonga mpino dia efa nanoratanay ny fanapahan-kevitray: tsy hihinana ny hena natao sorona tamin’ny sampy; hifady ny ra; tsy hihinana ny henam-biby tsy nosomindaina; ary tsy hanao fifandraisana mamoafady ara- panambadiana.
Malagasy Bible 1865
Fa ny amin'ny jentilisa izay efa mino, dia efa nampitondra epistily izahay nandidy azy hifady ny hena aterina amin'ny sampy sy ny rà sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny amin’ny Jentilisa izay efa mino kosa dia efa nampitondra epistily ho azy izahay ka nasainay nifady ny hena aterina amin’ny sampy, ny ra, ny biby kendaina ary ny fijangajangana izy ireo.
malagasy
Fa ny amin'ny jentilisa izay efa mino, dia efa nampitondra epistily izahay nandidy azy hifady ny hena aterina amin'ny sampy sy ny rà sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana.