Acts 21:26 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia noraisin’i Paoly ireo lehilahy ireo ary nony ampitso dia nanadio ny tenany niaraka taminy izy ka niditra teo amin’ny tempoly, dia nambarany ny fotoana fahatanterahan’ny andro fidiovana mba hanoloran’ny isan-dahy ny fanatitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nentin’i Paoly ireo lehilahy ireo, ka nony ampitso rehefa niara-nandio tena taminy izy, dia niditra tao an-Tempoly nilaza fa tapitra ny andro hahatanterahan’ny fandiovan-tena, dia tonga tao izy mandra-panatitra ny fanatitra ho an’ny isan-dahy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny ampitson’iny, dia nitondra azy efa-dahy i Paoly ary niaraka taminy nanatanteraka ny fombam-pivavahana fidiovana. Avy eo dia nankao an- kianjan’ny tempoly i Paoly ka nanambara ny hahataperan’ny andro fidiovana mba hahazoana manolotra ny fanatitra tandrify azy dimy lahy tsirairay avy.
Malagasy Bible 1865
Dia noraisin'i Paoly ireo lehilahy ireo, ary nony ampitso dia nanadio ny tenany niaraka taminy izy ka niditra teo an-kianjan'ny tempoly, nanambara ny fahatanterahan'ny andro fahadiovana mandra-panatitra ny fanatitra ho an'ny isan-dahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia noraisin’i Paoly ireo lehilahy ireo ary nony ampitso dia nanadio ny tenany niaraka taminy izy ka niditra teo amin’ny tempoly*, dia nambarany ny fotoana fahatanterahan’ny andro fidiovana mba hanoloran’ny isan-dahy ny fanatitra.
malagasy
Dia noraisin'i Paoly ireo lehilahy ireo, ary nony ampitso dia nanadio ny tenany niaraka taminy izy ka niditra teo an-kianjan'ny tempoly, nanambara ny fahatanterahan'ny andro fahadiovana mandra-panatitra ny fanatitra ho an'ny isan-dahy.