Acts 21:28 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
no niantso hoe: Ry lehilahy Israelita, vonjeo! Io ilay lehilahy mampianatra ny olona rehetra hatraiza hatraiza hanohitra ny vahoaka sy ny lalàna ary ity toerana ity sady nampiditra Grika tao amin’ny tempoly ka nandoto ity fitoerana masina ity!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Vonjeo, ry lehilahy Israelita! fa eto ilay lehilahy mampianatra ny olona rehetra hatraiza hatraiza hanohitra ny firenentsika sy ny Lalàna ary ity fitoerana ity; hatramin’ny Jentily avy aza no nampidiriny teto an-Tempoly, nametaveta ity fitoerana masina ity.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
no niantsoantso hoe: –Ry vahoaka israelita, avia fa intỳ eto ilay lehilahy mampianatra ny olona rehetra hatraiza hatraiza hanohitra ny firenen’i Israely sy ny lalànan ’i Mosesy mbamin’ity tempoly ity. Nampidirany hafa firenena aza ny tempoly ka nataony very hasina ity toeramasina ity.
Malagasy Bible 1865
ka dia niantso hoe: Avia, ry lehilahy Isiraely, fa io no lehilahy mampianatra ny olona rehetra ombieniombieny manohitra ny olona Isiraely sy ny lalàna sy ity fitoerana ity, sady nampiditra jentilisa teo an-kianjan'ny tempoly izy ka nandoto ity fitoerana masina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
no niantso hoe: Ry lehilahy Israelita, vonjeo! Io ilay lehilahy mampianatra ny olona rehetra hatraiza hatraiza hanohitra ny vahoaka sy ny lalàna ary ity toerana ity sady nampiditra Grika tao amin’ny tempoly ka nandoto ity fitoerana masina ity!
malagasy
ka dia niantso hoe: Avia, ry lehilahy Isiraely, fa io no lehilahy mampianatra ny olona rehetra ombieniombieny manohitra ny olona Isiraely sy ny lalàna sy ity fitoerana ity, sady nampiditra jentilisa teo an-kianjan'ny tempoly izy ka nandoto ity fitoerana masina. [ Gr. Grika]