Acts 21:30 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nifanaritaka be ihany ny tao an-tanàna rehetra, nihazakazaka ny olona ka tafavory; dia nosamboriny i Paoly ka nosarihiny niala teo amin’ny tempoly; ary niaraka tamin’izay dia narindrina ny vavahady.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nikorontana ny tanàna manontolo, nirohotra nivory ny vahoaka; ary nosamborina i Paoly, ka notarihiny ho any ivelan’ny Tempoly, dia nakatony niaraka tamin’izay ny varavarana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisavorovoro ny tanàna manontolo, ka indray nirohotra ny olona. Dia nobedain-dry zareo i Paoly ka notaritaritiny ho any ivelan’ny tempoly, ary nohidiny teo no ho eo ihany ireo vavahadin’ny tempoly.
Malagasy Bible 1865
Dia nifanaritaka be ihany ny tao an-tanàna rehetra, ka nihazakazaka nivory ny olona; ary Paoly dia nosamboriny ka nosarihany hiala eo an-kianjan'ny tempoly; ary niaraka tamin'izay dia narindrina ny vavahady.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nifanaritaka be ihany ny tao an-tanàna rehetra, nihazakazaka ny olona ka tafavory; dia nosamboriny i Paoly ka nosarihiny niala teo amin’ny tempoly; ary niaraka tamin’izay dia narindrina ny vavahady.
malagasy