Acts 21:34 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny sasany tamin’ny vahoaka niantso mafy nilaza zavatra iray, ary ny sasany kosa zavatra hafa; koa rehefa tsy azony nofantarina izay marina noho ny tabataba dia nasainy noentina ho any anaty rova i Paoly.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Samy nanana ny filàzany be ihany anefa ny vahoaka, ka tsy nisy hamantarany izay marina noho ny tabataba, fa dia nasainy nentina ho any anaty rova izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Zavatra samy hafa anefa no nantsoantsoin’ny vahoaka. Tsy nahalala izay tena marina ny komandy noho izany fifanjevoana izany, ka dia nanome baiko hitondrana an’i Paoly any amin’ny toby.
Malagasy Bible 1865
Ary ny sasany tamin'ny olona maro niantso mafy nilaza zavatra iray, ary ny sasany kosa zavatra hafa; ary rehefa tsy azony nofantarina izay marina noho ny fikotranana, dia nasainy nentina ho any anati-rova Paoly.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ny sasany tamin’ny vahoaka niantso mafy nilaza zavatra iray, ary ny sasany kosa zavatra hafa; koa rehefa tsy azony nofantarina izay marina noho ny tabataba dia nasainy noentina ho any anaty rova i Paoly.
malagasy