Acts 21:39 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy i Paoly: Izaho dia Jiosy avy any Tarsosy any Kilikia, tompon-tany amin’izay tanàna tsy kely laza; koa miangavy anao aho, avelao re aho mba hiteny amin’ny olona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Paoly taminy: «Izaho dia Jody avy any Tarsa any Silisia, tompon-tany amin’ny tanàna tsy kely laza. Mihanta aminao aho, mba avelao kely hiteny amin’ny vahoaka aho.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa novalian’i Paoly hoe: –Izaho dia Jiosy, teraka tany Tarsa any Silisia, mba isan’ny mponina ao amin’ny tanàna anankiray fanta-daza ihany. Azafady, mba avelao hiteny amin’ny vahoaka aho.
Malagasy Bible 1865
Fa hoy Paoly: Izaho Jiosy avy any Tarsosy any Kilikia, tompon-tany amin'izay tanàna tsy kely laza; koa trarantitra ianao, aoka aho mba hiteny amin'ny olona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hoy i Paoly: Izaho dia Jiosy* avy any Tarsosy any Kilikia, tompon-tany amin’izay tanàna tsy kely laza; koa miangavy anao aho, avelao re aho mba hiteny amin’ny olona.
malagasy
Fa hoy Paoly: Izaho Jiosy avy any Tarsosy any Kilikia, tompon-tany amin'izay tanàna tsy kely laza; koa trarantitra ianao, aoka aho mba hiteny amin'ny olona.Ary Paoly, rehefa navelany, dia nitsangana teo amin'ny ambaratonga ka nanofa tanana tamin'ny olona. Ary rehefa nangina tsara ny olona, dia niteny mafy tamin'ny teny Hebreo izy ka nanao hoe: