Acts 22:29 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nandao azy haingana ireo olona efa handeha hanadina azy; natahotra koa ny mpifehy arivo, rehefa nahalala fa Romana izy, satria efa nampamatotra azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niaraka tamin’izay, dia nihataka ry zareo nivonon-kampijaly azy; ary natahotra mbamin’ny komandy aza nony nahalala fa Rômanina i Paoly, noho ity izy efa nampamatotra azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Niaraka tamin’izay dia nihataka ry zareo efa ndeha hikapoka an’i Paoly hanerena azy hiteny; natahotra mbamin’ilay komandy aza nony nahalala fa mizaka zom-pirenena rômanina i Paoly, satria izy komandy no efa nampamatotra azy.
Malagasy Bible 1865
Dia nandao azy faingana ireo olona efa hanadina azy; ary ny mpifehy arivo natahotra koa, rehefa nahalala azy fa Romana, satria efa nampamatotra azy izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nandao azy haingana ireo olona efa handeha hanadina azy; natahotra koa ny mpifehy arivo, rehefa nahalala fa Romana izy, satria efa nampamatotra azy.
malagasy
Dia nandao azy faingana ireo olona efa hanadina azy; ary ny mpifehy arivo natahotra koa, rehefa nahalala azy fa Romana, satria efa nampamatotra azy izy.[Ny nandaharan'i Paoly teny teo anatrehan'ny Synedriona] Ary nony ampitso, satria ta-hahafantatra marina izay niampangan'ny Jiosy azy ny mpifehy arivo, dia namaha azy, ary nasainy niangona ny lohan'ny mpisorona sy ny Synedriona rehetra, ary Paoly nentiny nidina ka nampitoeriny teo anatrehany.