Acts 22:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Lehilahy jiosy aho, teraka tany Tarsosy any Kilikia, nefa teto amin’ity tanàna ity no nahabe ahy teo anilan’ny tongotr’i Gamaliela ka nampianarina tsara ny lalàna avy tamin’ny razana aho ary saro-piaro tokoa tamin’Andriamanitra tahaka anareo rehetra ireo ankehitriny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy izy: Izaho dia lehilahy Jody teraka tany Tarsa tany Silisia, fa teto amin’ity tanàna ity no nahabe ahy, teo ambanin’ny saokan’i Gamaliely, nampianatra tsara ny Lalàn’ny razantsika aho, ary nazoto erỳ ho an’Andriamanitra tahaka anareo rehetra izao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Izaho dia Jiosy teraka tany Tarsa any Silisia, fa nobeazina teto amin’ity tanànan’i Jerosalema ity; ny mpampianatra ahy dia i Gamaliela izay nampahalala ahy tsara ny lalànan ’ny razantsika. Nafana fo tamin’ny fanompoana an’Andriamanitra aho, tahaka anareo rehetra ankehitriny.
Malagasy Bible 1865
Izaho lehilahy Jiosy, teraka tany Tarsosy any Kilikia, fa teto amin'ity tanàna ity no nahabe ahy teo anilan'ny tongotr'i Gamaliela, dia nampianarina tsara ny lalàna avy tamin'ny razana aho, ary nazoto indrindra ho an'Andriamanitra tahaka anareo rehetra ankehitriny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Lehilahy jiosy aho, teraka tany Tarsosy any Kilikia, nefa teto amin’ity tanàna ity no nahabe ahy teo anilan’ny tongotr’i Gamaliela ka nampianarina tsara ny lalàna avy tamin’ny razana aho ary saro-piaro tokoa tamin’Andriamanitra tahaka anareo rehetra ireo ankehitriny.
malagasy