Acts 22:30 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony ampitso, satria ta hahafantatra marina izay niampangan’ny Jiosy azy ny mpifehy arivo, dia namaha azy, ary nasainy nivory ny lehiben’ny mpisorona sy ny Sinedriona rehetra, dia noentiny nidina i Paoly ka napetrany teo anatrehany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony ampitso, te hahalala marina izay antony niampangan’ny Jody azy izy, ka nasainy novahana i Paoly, ary nodidiany hivory ny mpisorona sy ny Sanedrìna, dia nentina i Paoly, ka napetrany teo afovoan’izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Te hahalala marina izay anton’ny niampangan’ny Jiosy an’i Paoly ity komandy; noho izany, dia nasainy novahana izy ny ampitson’iny ary nampiantsoiny hivory ny lohandoha-mpisorona sy ny Fitsarana ambony manontolo. Dia nentin’ilay komandy i Paoly, ka najorony hiatrika azy rehetra.
Malagasy Bible 1865
Ary nony ampitso, satria ta-hahafantatra marina izay niampangan'ny Jiosy azy ny mpifehy arivo, dia namaha azy, ary nasainy niangona ny lohan'ny mpisorona sy ny Synedriona rehetra, ary Paoly nentiny nidina ka nampitoeriny teo anatrehany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony ampitso, satria ta hahafantatra marina izay niampangan’ny Jiosy* azy ny mpifehy arivo, dia namaha azy, ary nasainy nivory ny lehiben’ny mpisorona sy ny Sinedriona* rehetra, dia noentiny nidina i Paoly ka napetrany teo anatrehany.
malagasy
[Ny nandaharan'i Paoly teny teo anatrehan'ny Synedriona] Ary nony ampitso, satria ta-hahafantatra marina izay niampangan'ny Jiosy azy ny mpifehy arivo, dia namaha azy, ary nasainy niangona ny lohan'ny mpisorona sy ny Synedriona rehetra, ary Paoly nentiny nidina ka nampitoeriny teo anatrehany.