Acts 22:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha nandeha aho ka efa nanakaiky an’i Damaskosy, tamin’ilay mitataovovonana iny, dia nisy mazava lehibe nanelatselatra tampoka avy tany an-danitra manodidina ahy
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Kanjo nony nandeha aho ka mby teo akaikin’i Damasy, tamin’ilay mitatao vovonana iny ny andro, dia nisy fahazavana lehibe tonga tampoka avy any an-danitra nanodidina ahy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Raha nandeha aho ka mby teo akaikin’i Damasy, dia indro, tampotampoka teo, tokony ho tamin’ny mitataovovonana, nisy hazavana lehibe avy tany an-danitra nanodidina ahy.
Malagasy Bible 1865
Ary raha nandeha aho ka mby teo akaiky an'i Damaskosy, tamin'ilay antoandrobe iny, dia nisy mazava lehibe nanelatrelatra tampoka avy tany an-danitra manodidina ahy;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha nandeha aho ka efa nanakaiky an’i Damaskosy, tamin’ilay mitataovovonana iny, dia nisy mazava lehibe nanelatselatra tampoka avy tany an-danitra manodidina ahy
malagasy
Ary raha nandeha aho ka mby teo akaiky an'i Damaskosy, tamin'ilay antoandrobe iny, dia nisy mazava lehibe nanelatrelatra tampoka avy tany an-danitra manodidina ahy;