Acts 23:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa nihamafy ny fifandirana dia natahotra ny mpifehy arivo, fandrao hopotipotehin’izy ireo i Paoly ka nasainy nidina haka azy an-keriny hiala teo afovoany ny miaramila ary hitondra azy ho any an-dapa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Vao mainka nitombo anefa ny fifandirana. Efa nataon’ny komandy hotetehin’ny olona teo mihitsy i Paoly, ka nasainy nidina ny miaramila haka azy an-kery teo afovoan’ny vahoaka, sy hitondra azy ho any anaty rova.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nihahenjana ny fifandirana ka natahotra ny komandy sao hifandroritan’ny olona i Paoly. Noho izany, dia nomeny baiko ny miaramilany hidina hanaisotra an’i Paoly teo anivon’ny mpivory sy hitondra azy any amin’ny toby.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa nitabataba be ihany izy, dia natahotra ny mpifehy arivo, fandrao hifandroritan'ny olona Paoly ka ho samatsamaka, dia nasainy nidina ny miaramila mba haka azy an-keriny hiala teo ampovoany ary mba hitondra azy ho any anati-rova.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa nihamafy ny fifandirana dia natahotra ny mpifehy arivo, fandrao hopotipotehin’izy ireo i Paoly ka nasainy nidina haka azy an-keriny hiala teo afovoany ny miaramila ary hitondra azy ho any an-dapa.
malagasy