Acts 23:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nankany amin’ny lehiben’ny mpisorona sy ny loholona izy ireo ka niteny hoe: Efa niozona sy nianiana izahay fa tsy hanandran-javatra na inona na inona raha tsy mahafaty an’i Paoly.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia lasa nanatona ny lehiben’ny mpisorona sy ny loholona izy, ka nanao hoe: «Efa nianiana mafy izahay fa tsy hanendry hanina raha tsy efa nahafaty an’i Paoly.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nankany amin’ny lohandoha-mpisorona sy ny loholona ry zareo ka niteny hoe: –Nanao velirano mihitsy izahay fa tsy hihinana na hisotro raha tsy efa nahafaty an’i Paoly.
Malagasy Bible 1865
Ary izy nankany amin'ny mpisoronabe sy ny loholona ka nanao hoe: Efa niozona sy nianiana izahay fa tsy hanandran-javatra na inona na inona ambara-pamononay an'i Paoly.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nankany amin’ny lehiben’ny mpisorona sy ny loholona izy ireo ka niteny hoe: Efa niozona sy nianiana izahay fa tsy hanandran-javatra na inona na inona raha tsy mahafaty an’i Paoly.
malagasy
Ary izy nankany amin'ny mpisoronabe sy ny loholona ka nanao hoe: Efa niozona sy nianiana izahay fa tsy hanandran-javatra na inona na inona ambara-pamononay an'i Paoly.