Acts 23:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa ankehitriny dia ilazaonareo ny mpifehy arivo sy ny Sinedriona mba hampidina azy hankaty aminareo ka mody milaza ianareo fa ta hamototra azy marimarina kokoa ny amin’izay nataony; ary izahay kosa moa dia efa vonona hamono azy, mialoha ny hahatongavany atỳ.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa ankehitriny, aoka ianareo sy ny Sanedrìna hilaza amin’ny komandy mba hampidina azy hankatỳ aminareo, mody te hamototra ny aminy lalindalina kokoa; ary izahay kosa amin’izany dia efa vonon-kamono azy alohan’ny hahatongavany atỳ.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ankehitriny àry dia aoka ianareo sy ny Fitsarana ambony hangataka amin’ny komandy mba hitondrany an’i Paoly mankatỳ aminareo, mody hoe te hamotopototra mazavazava kokoa ny momba azy. Izahay kosa dia efa vonona ny hamono azy alohan’ny higadonany eto.
Malagasy Bible 1865
Koa ankehitriny dia milazà amin'ny mpifehy arivo ianareo sy ny Synedriona mba hampidina azy hankatỳ aminareo, mody ta-hamototra azy marimarina kokoa ny amin'izay nataony; ary izahay kosa dia efa vonona hamono azy, dieny tsy mbola mby akaiky izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa ankehitriny dia ilazaonareo ny mpifehy arivo sy ny Sinedriona* mba hampidina azy hankaty aminareo ka mody milaza ianareo fa ta hamototra azy marimarina kokoa ny amin’izay nataony; ary izahay kosa moa dia efa vonona hamono azy, mialoha ny hahatongavany atỳ.
malagasy
Koa ankehitriny dia milazà amin'ny mpifehy arivo ianareo sy ny Synedriona mba hampidina azy hankatỳ aminareo, mody ta-hamototra azy marimarina kokoa ny amin'izay nataony; ary izahay kosa dia efa vonona hamono azy, dieny tsy mbola mby akaiky izy.