Acts 23:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa aza manaiky azy ianao, fa mihoatra ny efapolo lahy izy ireo no miray tetika hisambotra an’i Paoly ka efa niozona sy nianiana fa tsy hihinana na hisotro raha tsy maty izy; ary efa vonona izy ankehitriny ka miandry ny teny avy atỳ aminao fotsiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
nefa aza manaiky izany, fa misy efapolo mahery izy no niray tetika hamely azy, sady efa nanozon-tena sy nianiana fa tsy hihinana na hisotro ambara-pamonony azy. Ary izao dia efa vonona izy ireo, fa ny teny avy atỳ aminao sisa andrasany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nefa aza manaiky azy ireo ianao! Misy Jiosy mihoatra ny efapolo lahy manko miteti-dratsy hamely an’i Paoly. Nanao velirano izy efapolo lahy fa tsy hihinana na hisotro raha tsy efa nahafaty azy. Vonona izao ry zareo, fa ny valin-teninao no andrasany.
Malagasy Bible 1865
Koa aza manaiky azy ianao, fa misy tsy omby efa-polo lahy izy manotrika hisambotra an'i Paoly, ka efa niozona sy nianiana izy fa tsy hihinana na hisotro ambara-pamonony azy; ary efa vonona izy ankehitriny ka miandry ny teny avy aminao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa aza manaiky azy ianao, fa mihoatra ny efapolo lahy izy ireo no miray tetika hisambotra an’i Paoly ka efa niozona sy nianiana fa tsy hihinana na hisotro raha tsy maty izy; ary efa vonona izy ankehitriny ka miandry ny teny avy atỳ aminao fotsiny.
malagasy