Acts 23:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny mpifehy arivo dia nampandeha ilay zatovo ka nanafatrafatra hoe: Aza lazaina na amin’iza na amin’iza izany zavatra nampahafantarinao ahy izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nalefan’ny komandy razazalahy ka tsy navelany hiteniteny na amin’iza na amin’iza fa hoe nilaza izany taminy izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nalefan’ny komandy handeha ilay tovolahy nony avy nofeperany hoe: –Aza lazalazaina amin’olona fa efa nambaranao ahy izany.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpifehy arivo nampandeha ilay zatovo ka nandidy azy hoe: Aza milaza amin'olona fa efa nilaza izany tamiko ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny mpifehy arivo dia nampandeha ilay zatovo ka nanafatrafatra hoe: Aza lazaina na amin’iza na amin’iza izany zavatra nampahafantarinao ahy izany.
malagasy
Ary ny mpifehy arivo nampandeha ilay zatovo ka nandidy azy hoe: Aza milaza amin'olona fa efa nilaza izany tamiko ianao.