Acts 23:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy i Paoly taminy: Andriamanitra no hikapoka anao, ry manda voalalotra fotsy; ianao va no mipetraka hitsara ahy araka ny lalàna, nefa asainao kapohina tsy araka ny lalàna aho?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka hoy i Paoly: «Hokapohin’Andriamanitra tokoa ianao, ry rindrina voalalotra fotsy, fa mipetraka eto hitsara ahy araka ny Lalàna ianao, nefa mampamely tehamaina ahy tsy ara-dalàna.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay dia hoy i Paoly tamin’ny mpisorombe: –Andriamanitra kosa hamely anao, ry ilay rindrina milalotra fotsy ivelany ity! Mipetraka mba hitsara ahy araka ny lalàna ianao, kanefa dia fandikan-dalàna ny fanomezanao baiko hamely tehamaina ahy.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Paoly taminy: Andriamanitra mba hamely anao, ry rafi-bato voalalotra fotsy; fa ianao va mipetraka hitsara ahy araka ny lalàna, nefa asainao kapohina tsy araka ny lalàna aho?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy i Paoly taminy: Andriamanitra no hikapoka anao, ry manda voalalotra fotsy; ianao va no mipetraka hitsara ahy araka ny lalàna, nefa asainao kapohina tsy araka ny lalàna aho?
malagasy
Ary hoy Paoly taminy: Andriamanitra mba hamely anao, ry rafi-bato voalalotra fotsy; fa ianao va mipetraka hitsara ahy araka ny lalàna, nefa asainao kapohina tsy araka ny lalàna aho?