Acts 23:30 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa rehefa voalaza tamiko fa nisy nikasa hanao teti-dratsy hisamborana an-dRalehilahy dia nandefa iraka haingana hitondra azy atỳ aminao aho, ary ny mpiampanga koa nasaiko milaza atỳ anatrehanao izay iampangany azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary izao vao reko indray fa hoe misy Jody miray tetika hamono azy, ka izy moa nampanateriko faingana hankatỳ aminao; ry zareo mpiampanga azy kosa nasaiko nilaza izay itoriany azy atỳ aminao. Veloma.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony nampahafantarina ahy fa nioko hamono azy ny Jiosy, dia nanapa-kevitra niaraka tamin’izay aho, handefa azy mankatỳ aminao; ary ny mpiampanga azy dia nasaiko hanao ny fitoriany aminao.»
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa voalaza tamiko fa nisy nikasa hanotrika hisambotra an-dralehilahy, dia naniraka faingana hitondra azy aminao aho, ary ny mpiampanga koa nasaiko hilaza atỳ anatrehanao izay iampangany azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa rehefa voalaza tamiko fa nisy nikasa hanao teti-dratsy hisamborana an-dRalehilahy dia nandefa iraka haingana hitondra azy atỳ aminao aho, ary ny mpiampanga koa nasaiko milaza atỳ anatrehanao izay iampangany azy.
malagasy
Ary rehefa voalaza tamiko fa nisy nikasa hanotrika hisambotra an-dralehilahy, dia naniraka faingana hitondra azy aminao aho, ary ny mpiampanga koa nasaiko hilaza atỳ anatrehanao izay iampangany azy. [ Ampio hoe. [Veloma]