Acts 23:34 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary rehefa novakiny ilay taratasy dia nanontany izay faritany niavian’i Paoly izy; koa rehefa fantany fa avy tany Kilikia izy
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony voavakin’ny governora ny taratasy, dia nanontany izay faritany niavian’i Paoly izy, ka nony fantany fa avy any Silisia izy,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa voavakin’ny governora ny taratasy, dia nanontaniany izay faritany fiavian’i Paoly; ka nony fantany fa avy any Silisia i Paoly,
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa novakiny ilay taratasy, dia nanontany izay zara-fanapahana nihaviany izy; ary rehefa fantany fa avy tany Kilikia izy,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary rehefa novakiny ilay taratasy dia nanontany izay faritany niavian’i Paoly izy; koa rehefa fantany fa avy tany Kilikia izy
malagasy
Ary rehefa novakiny ilay taratasy, dia nanontany izay zara-fanapahana nihaviany izy; ary rehefa fantany fa avy tany Kilikia izy,dia hoy izy: Hihaino tsara ny teninao aho, rehefa tongay ny mpiampanga anao. Dia nasainy nambenana tao an-dapan'i Heroda izy. [ Gr. pretoria]