Acts 23:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa fantatr’i Paoly fa Sadoseo ny sasany, ary ny sasany kosa Fariseo, dia niantso teo amin’ny Sinedriona izy hoe: Ry rahalahy, izaho dia Fariseo, zanaky ny Fariseo; ny amin’ny fanantenana sy ny fitsanganan’ny maty no itsarana ahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony fantatr’i Paoly fa Sadoseanina ny sasany tamin’izay teo ary Farisianina ny sasany, dia niantso teo amin’ny Sanedrìna izy nanao hoe: «Ry rahalahy, izaho dia Farisianina, zanaky ny Farisianina, ary ny amin’ny fanantenàntsika ny hitsanganan’ny maty no itsarana ahy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fantatr’i Paoly fa ny sasany tamin’ireo anisan’ny Fitsarana ambony dia Tsadoseanina, ary ny sasany dia Farisianina; izany no niantsoany teo anoloan’izy rehetra hoe: –Ry rahalahy, izaho dia Farisianina, zanaka Farisianina. Noho izaho manantena ny fitsanganan’ny maty no itsarana ahy.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa fantatr'i Paoly fa Sadoseo ny sasany, ary ny sasany kosa Fariseo, dia niantso teo amin'ny Synedriona izy ka nanao hoe: Ry rahalahy, izaho dia Fariseo, zanaky ny Fariseo; ny amin'ny fanantenana sy ny fitsanganan'ny maty no itsarana ahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa fantatr’i Paoly fa Sadoseo* ny sasany, ary ny sasany kosa Fariseo*, dia niantso teo amin’ny Sinedriona izy hoe: Ry rahalahy, izaho dia Fariseo, zanaky ny Fariseo; ny amin’ny fanantenana sy ny fitsanganan’ny maty no itsarana ahy.
malagasy
Ary rehefa fantatr'i Paoly fa Sadoseo ny sasany, ary ny sasany kosa Fariseo, dia niantso teo amin'ny Synedriona izy ka nanao hoe: Ry rahalahy, izaho dia Fariseo, zanaky ny Fariseo; ny amin'ny fanantenana sy ny fitsanganan'ny maty no itsarana ahy.