Acts 23:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny Sadoseo mantsy dia milaza hoe: Tsy misy ny fitsanganan’ny maty, sady tsy misy ny anjely na ny fanahy, nefa neken’ny Fariseo avokoa ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ny Sadoseanina manao hoe: «Tsy misy fitsanganan’ny maty, ary tsy misy koa izay hoe Anjely na fanahy,» nefa ny Farisianina kosa mino ireo zavatra ireo,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
(Lazain’ny Tsadoseanina mantsy fa tsy misy fitsanganan’ny maty, ary tsy misy koa na anjely na fanahy; nefa izany rehetra izany dia eken’ny Farisianina).
Malagasy Bible 1865
Fa ny Sadoseo manao hoe: Tsy misy fitsanganan'ny maty, sady tsy misy anjely na fanahy; fa ny Fariseo kosa manaiky izany avokoa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny Sadoseo mantsy dia milaza hoe: Tsy misy ny fitsanganan’ny maty, sady tsy misy ny anjely na ny fanahy, nefa neken’ny Fariseo avokoa ireo.
malagasy
Fa ny Sadoseo manao hoe: Tsy misy fitsanganan'ny maty, sady tsy misy anjely na fanahy; fa ny Fariseo kosa manaiky izany avokoa.