Acts 23:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nisy antsoantso nankarenina teo, ary nitsangana ny mpanoradalàna sasany, izay isan’ny antoko atao hoe Fariseo, ka niady hevitra ary niteny hoe: Tsy hitanay izay helok’io lehilahy io; fa sao dia fanahy na anjely no niteny taminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka tabataba nankarenina no niseho. Ary nisy mpanora-dalàna sasany tamin’ny antokon’ny Farisianina nitsangana ka nanohitra hoe: «Tsy hitanay izay azo anomezan-tsiny an’io lehilahy io, fa angamba fanahy na Anjely anankiray no niteny taminy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Vao mainka nihamafy ny antsoantso; ary ny mpahay lalàna sasany, anisan’ny antoko Farisianina, dia tafatsangana ka nanohitra mafy nanao hoe: –Tsy ahitanay zava-dratsy mihitsy amin’io lehilahy io. Angamba nisy fanahy na anjely niteny taminy.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy antsoantso maharenina teo, ary ny mpanora-dalàna sasany, izay isan'ny antoko atao hoe Fariseo, nitsangana dia niady hevitra ka nanao hoe: Tsy hitanay izay helok'io lehilahy io; fa sao fanahy na anjely no niteny taminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nisy antsoantso nankarenina teo, ary nitsangana ny mpanoradalàna sasany, izay isan’ny antoko atao hoe Fariseo, ka niady hevitra ary niteny hoe: Tsy hitanay izay helok’io lehilahy io; fa sao dia fanahy na anjely no niteny taminy.
malagasy