Acts 24:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony afaka hadimiana dia nidina i Ananiasy mpisoronabe mbamin’ny loholona sasany sy i Tertilo mpandaha-teny ary nanambara tamin’ny governora ny niampangany an’i Paoly.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony afaka hadimiana, dia tonga i Anania lehiben’ny mpisorona sy ny loholona sasany, ary mpandaha-teny anankiray atao hoe Tertolosy, hiampanga an’i Paoly amin’ny governora.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dimy andro taorian’izay, dia tonga tao Kesaria i Hananià mpisorombe, tafaraka tamin’ny loholona sasantsasany sy tamin’ny mpisolovava atao hoe Tertòly. Tonga teo amin’i Feliksa governora izy rehetra mba hametraka fitarainana manohitra an’i Paoly.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa afaka hadimiana dia nidina Ananiasy mpisoronabe mbamin'ny loholona sasany sy Tertylo, mpandaha-teny anankiray, izay nanambara tamin'ny mpanapaka ny niampangany an'i Paoly.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony afaka hadimiana dia nidina i Ananiasy mpisoronabe* mbamin’ny loholona sasany sy i Tertilo mpandaha-teny ary nanambara tamin’ny governora ny niampangany an’i Paoly.
malagasy
[Ny nitsarana an'i Paoly teo anatrehan'i Feliksa, sy ny nifatorany roa taona tao Kaisaria] Ary rehefa afaka hadimiana dia nidina Ananiasy mpisoronabe mbamin'ny loholona sasany sy Tertylo, mpandaha-teny anankiray, izay nanambara tamin'ny mpanapaka ny niampangany an'i Paoly.