Acts 24:27 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa afaka roa taona dia i Porsio Festosy no nandimby an’i Feliksa; ary ta hahazo sitraka tamin’ny Jiosy i Feliksa ka mbola notanany tao an-tranomaizina ihany i Paoly.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony afaka roa taona, dia nodiasan’i Pôrsiosy Festosy i Feliksa, ary noho izy te hahazo sitraka tamin’ny Jody, dia navelany ho mpifatotra tao ihany i Paoly.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa afaka roa taona, dia nodiasan’i Pôrsy Festo amin’ny maha governora i Feliksa. Ary satria te hahazo sitraka amin’ny Jiosy i Feliksa, dia navelany ho ao am-ponja i Paoly.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa afaka roa taona, dia Porsio Festosy no nandimby an'i Feliksa; ary Feliksa ta-hahazo sitraka tamin'ny Jiosy, ka dia mbola navelany ho mpifatotra ihany Paoly.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa afaka roa taona dia i Porsio Festosy no nandimby an’i Feliksa; ary ta hahazo sitraka tamin’ny Jiosy i Feliksa ka mbola notanany tao an-tranomaizina ihany i Paoly.
malagasy
Ary rehefa afaka roa taona, dia Porsio Festosy no nandimby an'i Feliksa; ary Feliksa ta-hahazo sitraka tamin'ny Jiosy, ka dia mbola navelany ho mpifatotra ihany Paoly.