Acts 24:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Io lehilahy io mantsy dia hitanay fa tena ratsy fanahy sady mpampikomy ny Jiosy rehetra maneran-tany; izy no mpitarika ilay antoko atao hoe Nazareana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Io lehilahy io dia hitanay fa mpanimba vahoaka, mpampitabataba ny Jody rehetra amin’izao tontolo izao, filohan’ny antokon’ny Nazareanina,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsikaritray fa mampidi-doza mihitsy io lehilahy io: mpampikorontana ny Jiosy any am-pielezana izy sady mitarika ny antoko Nazareanina.
Malagasy Bible 1865
Fa io lehilahy io dia hitanay fa tena ratsy fanahy sady mpampikomy ny Jiosy rehetra eny tontolo eny, ary izy no tari-dalan'ilay antoko atao hoe Nazarena.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Io lehilahy io mantsy dia hitanay fa tena ratsy fanahy sady mpampikomy ny Jiosy* rehetra maneran-tany; izy no mpitarika ilay antoko atao hoe Nazareana.
malagasy
Fa io lehilahy io dia hitanay fa tena ratsy fanahy sady mpampikomy ny Jiosy rehetra eny tontolo eny, ary izy no tari-dalan'ilay antoko atao hoe Nazarena.