Acts 25:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Telo andro taorianan’ny nahatongavan’i Festosy teo amin’ny fari-piadidiany, dia niainga avy tany Kaisaria hiakatra ho any Jerosalema izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tonga hateloana teo amin’ny faritaniny i Festosy, dia niala tao Sezarea nankany Jerosalema,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Telo andro taorian’ny nahatongavan’i Festo tao amin’ny faritany, dia niainga avy ao Kesaria izy ho any Jerosalema.
Malagasy Bible 1865
Ary Festosy, nony tonga teo amin'ny zara-fanapahany, dia niala tany Kaisaria hiakatra any Jerosalema, rehefa afaka hateloana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Telo andro taorianan’ny nahatongavan’i Festosy teo amin’ny fari-piadidiany, dia niainga avy tany Kaisaria hiakatra ho any Jerosalema izy.
malagasy
[Ny hevitra nataon'ny Jiosy hahafaty an'i Paoly, sy ny nangatahan'i Paoly hotsarain'i Kaisara] Ary Festosy, nony tonga teo amin'ny zara-fanapahany, dia niala tany Kaisaria hiakatra any Jerosalema, rehefa afaka hateloana.