Acts 25:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa raha nisy ratsy nataoko, na zavatra izay tokony hahafaty ahy, dia tsy mandà ny ho faty aho; fa raha tsy misy marina kosa izay zavatra iampangan’ireo ahy dia tsy misy mahazo manolotra ahy ho amin’ny sitrapon’ireo. Handahatra eo anatrehan’i Kaisara aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa raha nanao ratsy aho, na misy heloka tokony hahafaty ahy, dia tsy mandà ny ho faty akory. Ary raha izay zavatra tsy misy fotony foana kosa no iampangan’izy ireo ahy, dia tsy misy olona manam-pahefana hanolotra ahy aminy. Fa mangataka hotsarain’i Sezara aho.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa raha meloka aho sy nahavita ratsy mahamendrika ahy ho voaheloka ho faty, dia tsy laviko ny ho faty. Fa raha tsy misy marina kosa ny fiampangana ataon-dry zareo ahy, dia tsy azon’iza na iza atolotra azy aho. Akariko amin’ny amperôra rômanina ny raharaha.
Malagasy Bible 1865
Koa raha mpanao ratsy aho, na nanao izay tokony hahafaty ahy, dia tsy mandà tsy ho faty aho; fa raha tsy marina kosa izay zavatra iampangan'ireo ahy, dia tsy misy olona mahazo manolotra ahy ho amin'ny sitrapony. Handahatra eo anatrehan'i Kaisara aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa raha nisy ratsy nataoko, na zavatra izay tokony hahafaty ahy, dia tsy mandà ny ho faty aho; fa raha tsy misy marina kosa izay zavatra iampangan’ireo ahy dia tsy misy mahazo manolotra ahy ho amin’ny sitrapon’ireo. Handahatra eo anatrehan’i Kaisara aho.
malagasy