Acts 25:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa afaka andro vitsivitsy dia tonga namangy an’i Festosy tany Kaisaria i Agripa mpanjaka sy i Berenika.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony afaka andro vitsivitsy, dia tonga tany Sezarea i Agripà mpanjaka sy i Berenisy, hiarahaba an’i Festosy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony afaka andro vitsivitsy, dia tonga tany Kesaria i Agripà mpanjaka sy i Berenîka anabaviny hiarahaba an’i Festo.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa afaka andro vitsivitsy, dia tonga tany Kaisaria Agripa mpanjaka sy Berenika hiarahaba an'i Festosy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa afaka andro vitsivitsy dia tonga namangy an’i Festosy tany Kaisaria i Agripa mpanjaka sy i Berenika.
malagasy
[Ny nandaharan'i Paoly teny teo anatrehan'i Agripa sy Berenika] Ary rehefa afaka andro vitsivitsy, dia tonga tany Kaisaria Agripa mpanjaka sy Berenika hiarahaba an'i Festosy.