Acts 25:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony tonga izy dia nitsangana manodidina azy ireo Jiosy izay nidina avy tany Jerosalema ka zavatra maro sady lehibe, izay tsy azony nohamarinina akory, no niampangany azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tonga izy dia nohodidinin’ny Jody avy any Jerosalema, sady nampangainy tamin’ny zava-dehibe maro izay tsy azony noporofoina akory.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony tonga i Paoly, dia nohodidin’ireo Jiosy nidina avy tany Jerosalema ka nampangainy ho nahavita fahadisoana maro sady lehibe, nefa tsy hain-dry zareo porofoina akory.
Malagasy Bible 1865
Ary nony tonga izy, dia nitsangana manodidina azy ny Jiosy izay nidina avy tany Jerosalema, ka zavatra maro sady lehibe, izay tsy azony nohamarinina akory, no niampangany azy;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony tonga izy dia nitsangana manodidina azy ireo Jiosy izay nidina avy tany Jerosalema ka zavatra maro sady lehibe, izay tsy azony nohamarinina akory, no niampangany azy.
malagasy
Ary nony tonga izy, dia nitsangana manodidina azy ny Jiosy izay nidina avy tany Jerosalema, ka zavatra maro sady lehibe, izay tsy azony nohamarinina akory, no niampangany azy;