Acts 26:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nampijaly azy ireny matetika teo amin’ny sinagoga rehetra aho ka nanery azy hiteny ratsy; ary satria romotry ny fahatezerako taminy aho dia nanenjika azy hatrany amin’ny tanàna any ivelany koa aza.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Matetika no nitety ny sinagoga nampijaly azy ireny aho, sy nanery azy hiteny ratsy an’i Jesoa, ary efa lasa nanenjika azy hatrany an-tanàna hafa aza, noho ny hatezerako mafy loatra taminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Matetika dia nofaiziko tao amin’ny sinagôga izy ireo ary notereko hivadi-pinoana. Ary noho izaho tena romotra taminy no nanenjehako azy hatrany amin’ny tanànan’ny firenen-kafa.
Malagasy Bible 1865
Ary nampijaly azy matetika teo amin'ny synagoga rehetra aho ka nanery azy hiteny ratsy; ary satria very saina tamin'ny fahatezerako taminy aho, dia nanenjika azy hatramin'ny tanàna any ivelany koa aza.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nampijaly azy ireny matetika teo amin’ny sinagoga* rehetra aho ka nanery azy hiteny ratsy; ary satria romotry ny fahatezerako taminy aho dia nanenjika azy hatrany amin’ny tanàna any ivelany koa aza.
malagasy
Ary nampijaly azy matetika teo amin'ny synagoga rehetra aho ka nanery azy hiteny ratsy; ary satria very saina tamin'ny fahatezerako taminy aho, dia nanenjika azy hatramin'ny tanàna any ivelany koa aza. [ Gr. hanao blasfemia; izahao Mat. 9,3]