Acts 26:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
koa nony ilay nitataovovonana iny ny andro, ry mpanjaka ô, dia hitako teny an-dalana fa indro, nisy mazava avy tany an-danitra nanelatselatra manodidina ahy sy ireo izay niaraka tamiko, mihoatra noho ny famirapiratry ny masoandro.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ilay sahabo ho nitataovovonana tsara iny ny andro, dia endrey, ry mpanjaka! fa teny an-dalana dia nahita fahazavana avy any an-danitra aho, izay namirapiratra lavitra noho ny masoandro, sy nanjelanjelatra nanodidina ahy mbamin’izay nomba ahy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Teny an-dalana aho, ry mpanjaka, raha tamin’ny mitataovovonana ny andro, dia nahita hazavana avy tany an-danitra, mahery lavitra noho ny hazavan’ny masoandro ka nanjelanjelatra manodidina ahy mbamin’ny mpiara-dia tamiko.
Malagasy Bible 1865
koa nony ilay nitatao-vovonana iny ny andro, ry mpanjaka ô, dia hitako teny an-dalana fa, indro, nisy mazava avy tany an-danitra nanelatrelatra manodidina ahy mbamin'izay niaraka tamiko mihoatra noho ny famirapiratry ny masoandro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
koa nony ilay nitataovovonana iny ny andro, ry mpanjaka ô, dia hitako teny an-dalana fa indro, nisy mazava avy tany an-danitra nanelatselatra manodidina ahy sy ireo izay niaraka tamiko, mihoatra noho ny famirapiratry ny masoandro.
malagasy