Acts 26:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa lavo tamin’ny tany izahay rehetra, dia nandre feo nilaza tamiko tamin’ny teny hebreo aho hoe: Saoly! Saoly! Nahoana ianao no manenjika Ahy? Zavatra sarotra aminao ny hanipaka ny fanindronana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Lavo tamin’ny tany terỳ izahay; ary nandre feo aho, nilaza tamiko tamin’ny teny hebrio hoe: Saoly, Saoly, nahoana no manenjika Ahy ianao? Mafy ho anao anie ny mitroatra manohitra ny fanindronana e!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Samy niankarapoka tamin’ny tany izahay, ary izaho dia nandre feo niteny tamiko tamin’ny teny aramianina hoe: «Saoly, Saoly, nahoana no manenjika Ahy ianao? Manimba tena ianao misetra lefona maranitra!»
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa lavo tamin'ny tany izahay rehetra, dia nandre feo nilaza tamiko aho nanao tamin'ny teny Hebreo hoe: Saoly Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? Zavatra sarotra aminao ny hanipaka ny fanindronana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa lavo tamin’ny tany izahay rehetra, dia nandre feo nilaza tamiko tamin’ny teny hebreo aho hoe: Saoly! Saoly! Nahoana ianao no manenjika Ahy? Zavatra sarotra aminao ny hanipaka ny fanindronana.
malagasy