Acts 26:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa mitsangàna ka mijoroa amin’ny tongotrao; fa izao no nisehoako taminao, dia ny hanendry anao ho mpanompo sy ho vavolombelona ny amin’izay efa nahitanao Ahy sy izay hisehoako aminao,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mitsangàna ka mijoroa amin’ny tongotrao. Fa Izaho no niseho taminao, dia ny mba hanendry anao ho mpanao raharaha sy vavolombelon’ny zavatra efa hitanao sy izay mbola hisehoako aminao koa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa miarena ka mijoroa! Izao manko no nisehoako taminao: ny hanendry anao ho mpanompoko ary koa ho vavolombelona hanambara amin’ny hafa ny nahitanao Ahy androany sy ny zavatra mbola hasehoko anao.
Malagasy Bible 1865
Fa mitsangàna, ka mijoroa amin'ny tongotrao; fa izao no nisehoako taminao, dia ny hanendry anao ho mpanompo sy ho vavolombelona ny amin'izay efa nahitanao Ahy sy izay hisehoako aminao,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa mitsangàna ka mijoroa amin’ny tongotrao; fa izao no nisehoako taminao, dia ny hanendry anao ho mpanompo sy ho vavolombelona ny amin’izay efa nahitanao Ahy sy izay hisehoako aminao,
malagasy
Fa mitsangàna, ka mijoroa amin'ny tongotrao; fa izao no nisehoako taminao, dia ny hanendry anao ho mpanompo sy ho vavolombelona ny amin'izay efa nahitanao Ahy sy izay hisehoako aminao, [Na: (izay efa hitanao)]