Acts 26:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
fa i Kristy tsy maintsy mijaly ary ho voalohany hitsangana amin’ny maty ka hitory fahazavana amin’ity firenena ity sy amin’ny Jentilisa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia ny hoe: tsy maintsy hijaly i Kristy, nefa hitsangana voalohany avy any amin’ny maty Izy, ka hitory fahazavana amin’ny vahoaka Jody sy amin’ny Jentily...
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
hijaly ny Mesia ary Izy no ho voalohany hisantatra ny fitsanganan’ny maty ka hitory fahazavana amin’ny vahoaka Israely sy amin’ny hafa firenena.
Malagasy Bible 1865
fa Kristy tsy maintsy mijaly ary ho voalohany hitsangana amin'ny maty ka hitory fahazavana amin'ny olona Isiraely sy amin'ny jentilisa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
fa i Kristy* tsy maintsy mijaly ary ho voalohany hitsangana amin’ny maty ka hitory fahazavana amin’ity firenena ity sy amin’ny Jentilisa.
malagasy
fa Kristy tsy maintsy mijaly ary ho voalohany hitsangana amin'ny maty ka hitory fahazavana amin'ny olona Isiraely sy amin'ny jentilisa.