Acts 27:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa voadidy hiondrana an-tsambo hankany Italia izahay dia natolotra tamin’ny kapiteny antsoina hoe Jolio, tamin’ny antokon’i Aogosto, i Paoly sy ny mpifatotra sasany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha voadidy hiondrana an-tsambo hankany Italia izahay, dia natolotra ny kapiteny anankiray atao hoe Joliosy, amin’ny antokon’i Aogosta, i Paoly sy ny mpifatotra sasany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony tapaka fa handeha an-tsambo hankany Italia izahay, dia natolotra an’i Joly, kapiteny avy amin’ny andian-tafika atao hoe «Andian-tafiky ny amperôra», i Paoly sy ny mpifatotra sasany hafa.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa voadidy hiondrana an-tsambo hiala hankany Italia izahay, Paoly sy ny mpifatotra sasany dia natolotra tamin'ny kapiteny atao hoe Jolio, tamin'ny antokon'i Aogosto.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa voadidy hiondrana an-tsambo hankany Italia izahay dia natolotra tamin’ny kapiteny antsoina hoe Jolio, tamin’ny antokon’i Aogosto, i Paoly sy ny mpifatotra sasany.
malagasy
[Ny nitondrana an'i Paoly nankany Roma, sy ny zavatra nanjo azy teny an-dalana] Ary rehefa voadidy hiondrana an-tsambo hiala hankany Italia izahay, Paoly sy ny mpifatotra sasany dia natolotra tamin'ny kapiteny atao hoe Jolio, tamin'ny antokon'i Aogosto.