Acts 27:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Satria tsy tsara hitoerana amin’ny ririnina ny fitodian-tsambo teo dia noheverin’ny maro fa tsara raha miala, fandrao mba ho tonga any Foiniksa ahay handany ny ririnina any; fitodian-tsambo any Kreta izany ka manatrika mianatsimo andrefana sy mianavaratra andrefana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary tsy tsara hitoerana amin’ny ririnina ny fitodian-tsambo teo, ka dia nataon’ny maro fa tsara ny miala eo sy manao izay hahatongavana any Fenisy, dia handany ny ririnina any; fitodian-tsambo any Kreta izany, izay manatrika ny rivotra avy any atsimo andrefana sy avaratra andrefana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy tsara hitoerana amin’ny ririnina rahateo koa ny seranan’i Lasea ka tapa-kevitra ny maro fa mety ny miala teo, sao mba hahatratra an’i Feniksa hijanonana mandritra ny ririnina. I Feniksa dia seranana any Kreta izay manatrika mianatsimo andrefana sy mianavaratra andrefana.
Malagasy Bible 1865
Ary satria ny fitodian-tsambo teo dia tsy tsara hitoerana amin'ny ririnina, dia nataon'ny maro fa tsara raha miala, fandrao mba ho tonga any Foiniksa ahay handany ny ririnina any; fitodian-tsambo any Kreta izany ka manatrika mianatsimo-andrefana sy mianavaratra-andrefana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Satria tsy tsara hitoerana amin’ny ririnina ny fitodian-tsambo teo dia noheverin’ny maro fa tsara raha miala, fandrao mba ho tonga any Foiniksa ahay handany ny ririnina any; fitodian-tsambo any Kreta izany ka manatrika mianatsimo andrefana sy mianavaratra andrefana.
malagasy
Ary satria ny fitodian-tsambo teo dia tsy tsara hitoerana amin'ny ririnina, dia nataon'ny maro fa tsara raha miala, fandrao mba ho tonga any Foiniksa ahay handany ny ririnina any; fitodian-tsambo any Kreta izany ka manatrika mianatsimo-andrefana sy mianavaratra-andrefana. [Na: mianavaratra-atsinanana sy mianatsimo-atsinanana]