Acts 27:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony afaka kelikely anefa, dia nifofofofo avy tao amin’ny nosy ny tafio-drivotra mahery atao hoe Eorakilona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony afaka kely foana anefa, dia namely ny tafio-drivotra avy any avaratra atsinanana, izay atao hoe Eorakilna,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Vetivety foana taorian’izay anefa, dia nifofofofo mafy nidina avy eny amin’ny tendrombohitry ny nosy ny rivo-mahery atao hoe Eorakilôna, avy any avaratra atsinanana.
Malagasy Bible 1865
Ary tsy ela rehefa afaka izany, dia nifofofofo nidina avy teo ny tafio-drivotra mahery atao hoe Eorakylona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony afaka kelikely anefa, dia nifofofofo avy tao amin’ny nosy ny tafio-drivotra mahery atao hoe Eorakilona.
malagasy
Ary tsy ela rehefa afaka izany, dia nifofofofo nidina avy teo ny tafio-drivotra mahery atao hoe Eorakylona.