Acts 27:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
rehefa tafakatra izany dia namatorana ny sambo manodidina ireo tady momba ny lakan’aina. Ary natahotra izy ireo fandrao ho tonga hatrany Sirtisy ka nampidinina ny lay ary navelany handeha ho azy ny sambo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tafakatra io, niala nenina ny matilò mba hamonjy anay; nafatony nanodidina ny sambo, ary nampidininy ny lay, fa natahorany hihitsoka amin’ny vorim-pasika ny sambo, dia navelany handeha amin’izay halehany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy nahatafakatra izany ireo matilò, dia namatotra ny sambo tamin’ny mahazaka hanamafisana azy. Natahotra ny hiantefa eny amin’ny fasika mandrevo manamorona an’i Libia ry zareo, ka nampidina ny lay ary dia namela ny sambo handeha ho azy.
Malagasy Bible 1865
ary rehefa nakarina izany, dia novahorany manodidina ny sambo; ary natahotra izy, fandrao hihatra any amin'ilay fasika mandrevo, dia nampidina ny lay, ka navelany handeha ho azy ny sambo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
rehefa tafakatra izany dia namatorana ny sambo manodidina ireo tady momba ny lakan’aina. Ary natahotra izy ireo fandrao ho tonga hatrany Sirtisy ka nampidinina ny lay ary navelany handeha ho azy ny sambo.
malagasy
ary rehefa nakarina izany, dia novahorany manodidina ny sambo; ary natahotra izy, fandrao hihatra any amin'ilay fasika mandrevo, dia nampidina ny lay, ka navelany handeha ho azy ny sambo. [ Gr. Syrtisy]