Acts 27:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa tsy nihinan-kanina ela izy ireo dia nitsangana teo afovoany i Paoly ka niteny hoe: Ry tompokolahy isany ô! Tokony nihaino ahy ianareo ka tsy niala tany Kreta, dia tsy ho nitranga izao fahasimbana sy fatiantoka izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nony ela no nifadian-kanina, dia nitsangana teo afovoan-dry zareo i Paoly, ka nanao hoe: «Ry sakaiza, tsara raha nihaino ahy ianareo, ka tsy niala tao Kreta, mba tsy hiharan’izao loza amam-patiantoka izao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Efa ela tsy nihinan-kanina ireo olona tao an-tsambo. Dia nitsangana teo afovoan’izy rehetra i Paoly ka nanao taminy hoe: –Inay anie ianareo, ry sakaiza, mba nihaino ahy ihany ka tsy niala tao Kreta, dia tsy ho niharan’izao fahasimbana sy fatiantoka izao isika.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa tsy nihinan-kanina ela izy ireo, Paoly dia nitsangana teo afovoany ka nanao hoe: Ry tompokolahy ô, tsara raha ho nihaino ahy ianareo ka tsy niala tany Kreta, mba tsy ho nahitana izao fahasimbana sy fatiantoka izao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa tsy nihinan-kanina ela izy ireo dia nitsangana teo afovoany i Paoly ka niteny hoe: Ry tompokolahy isany ô! Tokony nihaino ahy ianareo ka tsy niala tany Kreta, dia tsy ho nitranga izao fahasimbana sy fatiantoka izao.
malagasy