Acts 27:30 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nitady handositra hiala tamin’ny sambo anefa ireo tantsambo ka nampidina ny lakan’aina teo amin’ny ranomasina ary nody handatsaka vatofantsika eo an-dohasambo;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nitady handositra hiala amin’ny sambo ny matilò tamin’izay, ka nampidina ny salopy eo amin’ny ranomasina, nody handatsaka vatofantsika ao an-doha sambo;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nitady handositra hiala teo amin’ny sambo ny matilò ka efa nampidina ny salopy ho eo amin’ny ranomasina, mody hoe handatsaka vatofantsika ao an-dohasambo.
Malagasy Bible 1865
Fa raha nitady handositra hiala tamin'ny sambo ny matilo ka efa nampidina ny salopy teo amin'ny ranomasina izy, nody handatsaka vatofantsika eo an-doha-sambo,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nitady handositra hiala tamin’ny sambo anefa ireo tantsambo ka nampidina ny lakan’aina teo amin’ny ranomasina ary nody handatsaka vatofantsika eo an-dohasambo;
malagasy
Fa raha nitady handositra hiala tamin'ny sambo ny matilo ka efa nampidina ny salopy teo amin'ny ranomasina izy, nody handatsaka vatofantsika eo an-doha-sambo,