Acts 27:33 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha mbola tsy nazava ny andro dia niangavy tamin’ny olona rehetra i Paoly mba hihinan-kanina daholo sady hoy izy: Anio no fahefatra amby folo andro niandrasanareo sady tsy nihinananareo na inona na inona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony nazava ratsy ny andro, dia namporisika ny olona rehetra hihinan-kanina i Paoly, nanao hoe: «Anio fahefatra ambin’ny folo andro niaretanareo ny fifadian-kanina, sady tsy nitendry hanina akory ianareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa hadiva haraina ny andro, dia niangavian’i Paoly izy rehetra mba hihinan-kanina ka nataony hoe: –Faha-14 andro niandrasanareo anio ary niaritra hanoanana tsy nihinan-kanina mihitsy ianareo.
Malagasy Bible 1865
Ary raha mbola tsy nazava ny andro, dia niangavy tamin'ny olona rehetra Paoly mba hihinan-kanina ka nanao hoe: Anio no fahefatra ambin'ny folo andro niandrasanareo, sady nahari-noana ianareo ka tsy nihinana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha mbola tsy nazava ny andro dia niangavy tamin’ny olona rehetra i Paoly mba hihinan-kanina daholo sady hoy izy: Anio no fahefatra amby folo andro niandrasanareo sady tsy nihinananareo na inona na inona.
malagasy