Acts 27:40 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nesoriny avokoa ny vatofantsika, ka navelany ho any an-dranomasina, ary novahany koa ny kofehin’ny familian-tsambo dia namelatra ny lay anoloana izy mba ho azon’ny rivotra ka hanatona ny tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka nesoriny ny vatofantsika, nalefany ho any an-dranomasina; novahany ny mahazakan’ny fanamory, novelariny koa ny lay teo an-doha sambo mba ho azon’ny rivotra, dia nanatona ny tany izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nesorin’ireo matilò avokoa ny vatofantsika ary nalefany ho any an-dranomasina; novahany koa ny mahazakan’ny fanamoriana ary novelariny ny lay anoloana ho azon’ny rivotra. Dia nizotra nanatona ny torapasika ry zareo,
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa nesoriny avokoa ny vatofantsika, dia navelany ho any an-dranomasina, ary novahany koa ny kofehin'ny familian-tsambo dia namelatra ny lay anoloana izy ho azon'ny rivotra ka nanatona ny tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nesoriny avokoa ny vatofantsika, ka navelany ho any an-dranomasina, ary novahany koa ny kofehin’ny familian-tsambo dia namelatra ny lay anoloana izy mba ho azon’ny rivotra ka hanatona ny tany.
malagasy