Acts 27:41 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa tonga tamin’izay nisy fihaonan-dranomasina izy ireo dia navelany hidona tamin’ny tany ny sambo; ary nihizina ny lohasambo ka nijanona tsy nihetsika, fa ny vodisambo kosa dia vakivaky azon’ny herin’ny onja.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tonga tao amin’ny andilan-tany anankiray izy, dia niantsona teo ny sambo; ka ny loha sambo moa nihizina tsy afa-nihetsika teo, fa ny vody sambo kosa vaky azon’ny herin’ny onja.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
kanjo mby teo amin’ny andilantany anankiray, ka dia niantsona teo ny sambo. Revo tao amin’ny fasika ny lohasambo ka nihizina teo, tsy nahahetsika; ary ny vodisambo kosa dia vaky azon’ny herin’ny onja.
Malagasy Bible 1865
Ary raha tonga tamin'izay nisy fihaonan-dranomasina izy, dia navelany hidona tamin'ny tany ny sambo; ary ny loha-sambo nihizina ka nitoetra tsy nihetsika, fa ny vodi-sambo kosa dia vakivaky azon'ny herin'ny onja.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa tonga tamin’izay nisy fihaonan-dranomasina izy ireo dia navelany hidona tamin’ny tany ny sambo; ary nihizina ny lohasambo ka nijanona tsy nihetsika, fa ny vodisambo kosa dia vakivaky azon’ny herin’ny onja.
malagasy