Acts 27:43 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny kapiteny ta hamonjy an’i Paoly ka nisakana azy tsy hanao izay nokasainy; fa izay nahay nilomano no nasainy hirotsaka mialoha ka hilomano ho any amin’ny tany,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
nefa tsy navelan’ny kapiteny hanao izany izy ireo noho ny fitiavany hamonjy an’i Paoly. Izay nahay nilomano aloha no nasainy nirotsaka hiakatra eny an-tanety,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa te hamonjy an’i Paoly ilay kapiteny rômanina ka nisakana ny miaramila mba tsy hanao izany. Nomeny baiko izay miaramila mahery milomano hirotsaka anaty rano voalohany hankeny an-tanety;
Malagasy Bible 1865
Fa ny kapiteny ta-hamonjy an'i Paoly, dia nisakana azy tsy hanao izay nokasainy; fa izay nahay nilomano no nasainy hirotsaka aloha ka hilomano ho any amin'ny tany,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ny kapiteny ta hamonjy an’i Paoly ka nisakana azy tsy hanao izay nokasainy; fa izay nahay nilomano no nasainy hirotsaka mialoha ka hilomano ho any amin’ny tany,
malagasy
Fa ny kapiteny ta-hamonjy an'i Paoly, dia nisakana azy tsy hanao izay nokasainy; fa izay nahay nilomano no nasainy hirotsaka aloha ka hilomano ho any amin'ny tany,ary ny sisa dia samy hanao izay hahafaka azy, na amin'ny hazo fisaka, na amin'ny zavatra avy amin'ny sambo. Dia tonga soa aman-tsara teny an-tanety avokoa izy rehetra.