Acts 27:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nandritra ny andro maromaro izahay dia nandroso niadana ka saika tsy tonga tandrifin’i Kinido, satria nisakana anay ny rivotra, koa nanara-morona an’i Kreta nihazo ny ilany takon-drivotra tandrifin’i Salmona izahay;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niadam-pandeha ny sambonay nandritra ny andro maromaro, ary nananosarotra erỳ izahay vao tonga tandrifin’i Knida, fa nanoha anay ny rivotra. Dia nanara-morona an’i Kreta tandrifin’i Salmône izahay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nandritra ny andro maromaro, dia nihisatra ny fandehan’ny sambonay ka efa nananosarotra erỳ vao tonga tandrifin’ny tanànan’i Kinido. Tsy navelan’ny rivotra handroso hizotra hatrany intsony anefa izahay, ka nihazo ny tanjona Salmôna, ary dia nanara-morona ny nosy Kreta tamin’ny ilany atsimo izay takon-drivotra.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa nandeha niadana andro maromaro izahay ka saiky tsy tonga tandrifin'i Kinido, satria nisakana anay ny rivotra, dia takon-drivotra tandrifin'i Salmona izahay;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary rehefa nandeha niadana andro maromaro izahay ka saiky tsy tonga tandrifin'i Kinido, satria nisakana anay ny rivotra, dia takon-drivotra tandrifin'i Salmona izahay;