Acts 27:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Satria efa andro maro no lany sady notandindomin-doza ny dia teny an-tsambo tamin’izay, ary efa tapitra ny andro Fifadian-kanina, dia nanolo-kevitra azy ireo i Paoly
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony afaka andro maromaro, dia tsy nahatoky intsony ny mandeha an-tsambo, fa efa lasa ny andro fifadiana, ka notoroan’i Paoly hevitra ny mpiantsambo,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nandany fotoana be tao izahay, ka hanjary hampidi-doza ny dia raha mbola hiroso ihany, satria efa lasa koa ny andro fankalazana ny Famelàn-keloka. Izany no nanoroan’i Paoly hevitra amin’ireo mpiantsambo hoe:
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa lany ny andro maro, sady sarotra ny fandehanan-tsambo tamin'izany, satria efa afaka ny Andro Fifadiana, dia nananatra azy Paoly
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Satria efa andro maro no lany sady notandindomin-doza ny dia teny an-tsambo tamin’izay, ary efa tapitra ny andro Fifadian-kanina, dia nanolo-kevitra azy ireo i Paoly
malagasy
Ary rehefa lany ny andro maro, sady sarotra ny fandehanan-tsambo tamin'izany, satria efa afaka ny Andro Fifadiana, dia nananatra azy Paoly [ Ny Andro Fanavotana izany]