Acts 28:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa afaka telo volana dia niondrana tamin’ny sambo iray izay efa nandany ny ririnina teo amin’izany nosy izany izahay; sambon’i Aleksandria io ary nisy sarin’i Dioskiora.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony afaka telo volana, dia niondrana izahay tamin’ny sambon’i Aleksandria, izay efa nandany ny ririnina tamin’izany nosy izany, sy nisy ny sarin’ny Diôskôra ho famantarana azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony afaka telo volana, dia niondrana izahay tamin’ilay sambo anankiray nijanona tao amin’izany nosy izany nandritra ny ririnina. Sambo avy any Aleksandria izy io ary nantsoina hoe «Diôskory ».
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa afaka telo volana, dia niondrana izahay tamin'ny sambon'Aleksandria, izay efa nandany ny ririnina teo amin'izany nosy izany sady nisy sarin'ny Zaza Kambana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa afaka telo volana dia niondrana tamin’ny sambo iray izay efa nandany ny ririnina teo amin’izany nosy izany izahay; sambon’i Aleksandria io ary nisy sarin’i Dioskiora.
malagasy
Ary rehefa afaka telo volana, dia niondrana izahay tamin'ny sambon'Aleksandria, izay efa nandany ny ririnina teo amin'izany nosy izany sady nisy sarin'ny Zaza Kambana. [ Gr. Dioskory; dia Kastora sy Poloksa]