Acts 28:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony afaka hateloana dia nampiantsoin’i Paoly ireo lohandohany tamin’ny Jiosy; rehefa tafangona ireo dia hoy izy taminy: Ry rahalahy, izaho dia gadra avy tany Jerosalema, natolotra teo an-tanan’ny Romana na dia tsy nisy fahadisoana nataoko aza na tamin’ny firenentsika na tamin’ny fanaon-drazana;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony afaka hateloana, dia nampiantsoin’i Paoly ny lohandohan’ny Jody, ka nony tafavory izy ireo dia hoy izy taminy: «Ry hava-malala, izaho dia nafatotra hatrany Jerosalema sy natolotra teo an-tanan’ny Rômanina, na dia tsy nanao na inona na inona manohitra ny firenentsika sy ny fanaon-drazantsika aza.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony afaka telo andro, dia nampiantsoin’i Paoly ny Jiosy lohandohany tao Rôma. Rehefa tafangona izy rehetra, dia hoy i Paoly taminy: –Ry rahalahy, tsy nisy ratsy nataoko ny firenentsika, na fandikàko ny fomban-drazantsika. Kanefa dia nosamborina aho tany Jerosalema ary natolotra teo an-tanan’ny Rômanina.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa afaka hateloana, dia nampanalain'i Paoly hiangona izay lohandohany tamin'ny Jiosy; ary rehefa niangona ireo, dia hoy izy taminy: Ry rahalahy, izaho dia mpifatotra avy tany Jerosalema natolotra teo an-tànan'ny Romana, na dia tsy diso tamin'ny firenentsika aza, na tamin'ny fanaon-drazana;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony afaka hateloana dia nampiantsoin’i Paoly ireo lohandohany tamin’ny Jiosy*; rehefa tafangona ireo dia hoy izy taminy: Ry rahalahy, izaho dia gadra avy tany Jerosalema, natolotra teo an-tanan’ny Romana na dia tsy nisy fahadisoana nataoko aza na tamin’ny firenentsika na tamin’ny fanaon-drazana;
malagasy
Ary rehefa afaka hateloana, dia nampanalain'i Paoly hiangona izay lohandohany tamin'ny Jiosy; ary rehefa niangona ireo, dia hoy izy taminy: Ry rahalahy, izaho dia mpifatotra avy tany Jerosalema natolotra teo an-tànan'ny Romana, na dia tsy diso tamin'ny firenentsika aza, na tamin'ny fanaon-drazana;